samedi 14 février 2009
Aleo misoroka toy izay mitsabo...
Ny Fanorenana dia tsy antoko politika, tsy fikambanana, tsy vondrona.
Ny Fanorenana dia fitaovana azon'ny olom-pirenena tsirairay ampiasaina hamoriana ny hery amin'ny alalan'ny hevitra tsara rehetra, ka handravonana izany hanorenana drafitra fiaraha-monina maharitra mifanentana amin'ny izay tadiavintsika.
Aleo misoroka toy izay mitsabo...
Miaritra fotoan-tsarotra indray isika : miaina ao anaty tahotra sy ahiahy, miaina ao anaty alahelo.
Tonga sy mirotsaka eto anivontsika ireo solon-tenan'ny fikambanana iraisam-pirenena, ireo solon-tenan'ny FFKM, hanampy antsika amin'ny fitadiavana vahaolana mba hilaminan'ny toe-draharaha.
Ny vahaolana efa fantatsika fa ny hiverenan'ny fandriampahalemana.
Koa na fitondram-panjakana iraisana andraisan'ny roa tonta anjara, na fitondram-panjakana hoentin'ny iray amin'izy ireo irery ihany.
Nefa raha tena dinihina, dia ny ratra no nositranina fa tsy ny aretina.
Mba misy ve fiheverana ny fototr'aretin'ny fiaraha-monina ?
Mba misy ve mamaly ny fanaintainan'ny vahoaka ?
Mba misy ve ny tena miahiahy ny hikiakin'ireo vahoaka ireo?
Tsia.
Tonga angamba ny fotoana tokony hijoroan'ny tsirairay, handraisan'ny tsirairay andraikitra amin'ny fiainany sy safidiny. Isika tsirairay avy no mahatsapa izay olana diavintsika ary samy manana vahaolana hatolotra. Tonga angamba ny fotoana tokony hanomezana antsika tsirairay sehatra hanehoana hevitra, fitaovana handravanana olana, drafitra hivelarana ny hoavy.
Ka izay no hijoroan'Ny Fanorenana:
Hanorenantsika vahoaka mihitsy ny fiaraha-monina hanjakan'ny demokrasia marina. Ny isam-batan'olona mihitsy no hanondro ny fototr'aretiny ka hiarahantsika mitady fanafany izany.
Ny isam-batan'olona no hiandraikitra tokoa ny tokantranony, ny fiaraha-moniny, ny Fireneny.
Hanorenantsika fiaraha-monina misy fototra matanjaka, tsy voahozongozon'ny rivotra politika mitady ny tombotsoa tokana ho an’ny mpitarika.
Zo sy adidintsika ny manorina ny drafitra hivoarantsika, ho antoky ny hoavintsika, ary ny afahantsika vahoaka maneho hevitra ankahalalana dia ny fandantsaham-bato.
Hoy R. Burke hoe : ‘’Ny tsy fihetsehan’ny olon-kendry no mampanjaka ny ratsy.’’
Ka ny hanomanantsika izay fifidianana izay ho avy, dia miandry anao ry vahoaka Malagasy tsara sitrapo hiara-hiasa aminay, hamantatra ny olana, ny sakana, hanome ny savaravina, ny vaha-olana ao anatin’ny tena demokrasia, ny Fihavanana maha Malagasy tanteraka.
Tena drafitrasa itokisana hahomby amin’ny fandraisana anjaran’ny tsirairay io ary efa voadinika lalina.
Miainga isika hanadihady, hamakafaka, hijery ifontony, handravina ary hifampidinika mba hampahafantatra sy hanamafy fa tsy maintsy misy vahaolana avy aty amin’ny vahoaka tena tompon’ny fahefana, ankoatry ny fitokonana sy fidinana an-dalambe.
Dia ho resintsika mora foana raha isika vonona hanokana fotoana kely fotsiny ary izany indrindra no mba angatahan’ny Ny Fanorenana.
Inscription à :
Publier les commentaires (Atom)
Aucun commentaire:
Enregistrer un commentaire